Eto no toerana hifaneraserantsika
amin'ireo hevitra maro any anatintsika tsirairay any
Misaotra mialoha tompoko amin'ny fandraisanao anjara ho fanompoana
ny Tompontsika
"Jehovah efa nianiana tamin’ny Tanany ankavanana, dia tamin’ny Sandriny mahery hoe : TSY HOMEKO HOHANIN’NY FAHAVALONAO INTSONY NY VARINAO, ARY NY HAFA FIRENENA TSY HISOTRO NY RANOM-BOALOBOKAO IZAY EFA NISASARANAO ; FA IZAY NIJINJA AZY NO HIHINANA AZY KA HIDERA AN’I JEHOVAH ; ARY IZAY NIOTY AZY NO HISOTRO AZY AO AMIN’NY KIANJAKO MASINA" (Isaia 62.8 - 9)
Toy ny Fanaon’Ny Tompo tamintsika isaka ny andro voalohany amin’ny taona (01 janoary), manome TENY FAMPANANTENANA antsika Zanany, dia nomeny antsika tamin’ny 01 janoary 2012 teo indray io Isaia 62.8 - 9 io. Saro-piaro amintsika ny Tompo Andriamanitsika, toy ny anakandriamasony no fitondrany antsika, ka tsy misy avelany hikasika antsika. Tsy Sitraky Ny Tompo raha "hitatatra ho an-drainilaizafy isika" (cp Salamo 128.1-2)
Koa miarahaba anao ry Zanak mahasaropiaro an’Andriamanitra, mahatratra ity taona 2012, mbola anavaozany ny Famindrampony aminao, ka haninjinany Ilay Sandriny mahery, toy ny tamin’ny nitondrany ny Zanak’Isiraely nivoaka avy tany Egypta. Mirary ny Fitahian’Ny Tompo ny asa aman-draharahanao izay hisasaranao amin’ity taona 2012 ity, fa ... "hohaninao tokoa ny asan’ny tananao " ! Koa dia mahereza sy mahatanjaha ! Ny Tompo Momba anao ! AMENA
Sekoly Alahady: SEKOLY ALAHADY : Fanilo sy Fanazavana SEKOLY ALAHADY :
Fanilo sy Fanazavana
Ny alahady 11 desambra 2011 teo no nofaranana ny fankalazana ny faha 120 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny FJKM (...)
29 Mey 2011 : Fetin’ny reny Tena hilaina ary kritsiana ve ny mankalaza ny fetin’ny reny St Valentin hoe e ? Alatsinainy 14 febroary : ny St Valentin no tiana horesahina eto ... Ahoana no fahitantsika io fankalazana io ? resaka ara-barotra ve ? fetin’ny "jentilisa" ve ? sa kosa inona ?