Tafahaona novambra 2021

Tafahaona

« Tafatoetra ny fon’izay miandry ny Tompo »

              « Mamindra fo amiko, Andriamanitra ô ! Mamindra fo amiko ; fa Ianao no ialofan’ny fanahiko ; eny, ao amin’ny aloky ny Elatrao no ialofako, mandra-pahalasan’ny loza ! »

              « Olona malemy ! » « Olona tsy lavorary ! » Isika, ka tsy mba manana « zo » hialoka ao ambany elatr’ilay Andriamanitra Masina sy feno ary tsy misy tsiny ! Mitalaho sy mangataka sy « famindrampony » mba hahazo hialoka ao amin’ny Tompo, fa misy loza ! Tsy mba manana izay hiadiana na hialana amin’ireny loza ireny ! Matoky anefa isika, fa tsy hanoso-bohotanana izay manatona mba hialoka ao ambany elany !!!

              « Andriamanitra mora azo indrindra amin’ny fahoriana, » ny Andriamanintsika ! « Mamindra fo amiko Andriamanitro ô ! » Tsy misy na inona na inona azontsika atao handehanantsika ho ao ambany elatry ny Tompo ! Tsy manana na  inona na inona « hahasahiantsika hankeo amin’izy Tompo isika ! » Soa fa manaiky hatonintsika Izy ; fa hoy Izy : « Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah. Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny orampanala ; na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon’ondry fotsy ! »  Mahazo mialoka ao ambanin’ny elatr’i Jehovah, ilay Andriamanitra Mahery sy Masina, nefa tena tia sy mamindra fo amintsika isika !

               Mihevitra ireo « mpitera-doza » ireo, fa tsy handray antsika ny Tompo, ka toa « manaram-po » ery, mamely ireo mpanompo lasa nitady fialofana amin’i Jehovah !

               « Fa tsy sitrak’i Jehovah ny hampahory ny olony ! Aza matahotra ! manavao ny famindrampony isa-maraina amin’izay miandry azy ny Tompo. Tsy avelany hangahiahy ny vahoakany ! Araka ny tenin’ny mpanao Salamo (Sal. 121 ) : « Manopy ny masoko ho amin’ny tendrombohitra Aho, avy aiza ny famonjena ahy ? ny famonjena ahy, dia avy amin’i Jehovah ! »

               Koa aza mba ketraka miandry an’Andriamanitsika e ! Ataony « Tafatoetra ny fonao izay miandry ny famonjeny ! Mahereza anaka !

                                                                                                                                                                                                                                                                 Amen !

                                                                                                                                                                                                                                                                 Ny Raiamandreny Mpitandrina RANJAKAVOLA