5 min Alahady 24 Martsa 2019

Romana 8 : 28a : " Ary fantatsika fa ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an'Andriamanitra"

 Indro misy tantara iray :

             Nisy mpanjaka iray izay tena tia mihaza, ka isaky ny mandeha manao izany izy dia miaraka amin'ny mpanolotsaina azy iray izay foana. Teny filazan'ity mpanolotsaina ity aminy ny hoe mahasoa izao matoa ataon'Andriamanitra koa aza kivy izany. Indray andro raha nandeha nihaza izy ireo dia nifanenana tamina liona. Tamin'izay dia lanin'ilay bibidia ny iray amin'ny ratsantanan'ny mpanjaka. Tezitra mafy izy tao aorian'izay satria na dia efa izany aza ny zava-manjo mbola nilaza ihany ilay mpanolotsaina hoe mahasoa izany matoa ataon'Andriamanitra, noho izany dia nandidy ny hanagadrana azy ny mpanjaka.

Indray andro, raha izy nandeha nihaza iny, dia nisy olon-dia nisambotra ny mpanjaka. Ho ataon'izy ireo sorona no nakany azy. Rehefa tonga ny andro anaovana ilay sorona dia hitan'ireo olon-dia fa tsy ampy iray ny ratsantanany, noho izany dia tsy azo atao sorona izy ka dia navelany nandeha.

Rehefa tafaverina ilay mpanjaka dia nasainy navoaka faingana ilay mpanolotsaina azy ka nilazany izay zava-nitranga taminy no nampiany hoe "tena nahasoa ahy tokoa ny namoizako ny ratsako iray araka ny filazanao tamiko, kanefa misy toe-javatra tsy azoko. Nahoana no navelan'Andriamanitra nandefa anao tany an-tranomaizina aho?". Tsotra ny valiny nomen'ilay mpanolotsaina: "Raha tsy izay dia efa matin'ireo olon-dia ireo aho raha nandeha toy ny fanaotsika niara-nihaza satria izaho tsy mba misy kilema".

Ny lesona azo tsoahina amin'izany dia ny hoe : efa misy lalana homanin'Andriamanitra ho antsika na dia mbola tsy hitantsika aza izay mahasoa antsika hatrany satria tiany isika. Tena tia antsika Andriamanitra koa meteza ho Tiaviny.

Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra. Amen!