GENESISY 15.1-21 F. 2, 7

VALIM-PITIA SAROBIDY

Raha lavitra ny tanindrazany sy ny ankohonan-drainy i Abrama (Genesisy 12.1), dia maro ireo sedra  nolalovany : tany tsy fantatra nefa ho lovany (Hebreo 11:8), fahavalo manodidina, manampy trotraka ny tsy fananana taranaka (1-5).   

Fanomezana tsy manan-tsahala. Ho setrin’ny fankatoavany  dia Andriamanitra, amin’ny maha-Izy azy,  manana ny fahafenoana rehetra no nanolo-tena ho valim-pitiany. Ny Tompon’ny tompo, ny Mpanjakan’ny mpanjaka no valisoany.  Moa tsy maniry izany tahaka an’i Asafa koa va isika? (Salamo 73:25). Nisinda ireo ahiahiny rehefa nanome toky Jehovah fa tsy handao na hahafoy azy (7 ; Matio 19:29). Noraiketin’i Abrama am-po ny fampanantenana nambaran’i Jehovah taminy (6). Tsy nomeny toerana ny kajikajy amin’ny maha-olombelona. Niantoraka tanteraka tamin’Ilay mahefa ny zava-drehetra izy: Ho maro tahaka ny kintana ireo taranany (5). Ho lovany sy ho an’ny taranany ny tany Kanana (7).  Izy no ampingany (1). Hiaro azy manoloana ireo fahavalo maro. Tolorany fahaelavelona sy fiadanana izy (15). Hitsara ary hamotika ireo fahavalony Jehovah (14, 16).Hahatonga azy ho firenena lehibe (18-21).

Mahari-po Andriamanitra.  Nila naka toky tamin’i Jehovah hatrany Abrahama (2, 3, 8). Mba hahamafy horina ny finoany, Andriamanitra mihitsy no nangataka taminy hanomana sorona ho Azy (9-10, 17). Fanilo mirehitra teo anelanelan’ireo atao sorona no nanehoan’i Jehovah ny fanatrehany (17). Toa mampahatsiahy ny andry afo tamin’ny andron’ny zanak’Israely (Eksodosy 13:21).

Fahamarinana : a) Marina amin’ny teniny Andriamanitra:  « Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako. » (Salamo 89:34). b)  Efa fantany izay ho fiainantsika. Ny finoantsika Azy tsy misy takalony no tadiaviny.