GENESISY 17.15-27 F. 3, 7

MPANDAHATRA HENDRY

Saraha midika hoe zanak’andriana. Toa anarana mifandraika amin’ny anaran’i Abrahama izay rain’ny firenena rehetra. Manamarina izany ny hisian’ny mpanjakan’ny firenena maro haterany (15-16).

Resaka tsy nifankahazo. Nohon’ny fahanteran’izy mivady dia tsy nanantena zanaka intsony Abrahama (17). Naniry indrindra ny hitahian’Andriamanitra an’Ismaela izy (18).  Nahitsin’Andriamanitra izy. Ho an’Isaka izay haterak’i Saraha sy ireo taranany mifandimby ny fanekena mandrakizay (19, 21). Tsy ny taonan’i Abrahama sy Saraha no olana amin’Andriamanitra fa ny tsy fahalalany ny fetran’ny fahefan’Andriamanitra (17).

Lesona. Fehezintsika ny fahefan’Andriamanitra. Hoy izy « Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo ary ny lalanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehovah. » (Isaia 55:8) ary koa « … Tsy hain'ny olona izany, fa hain'Andriamanitra ny zavatra rehetra. » (Matio 19:26)

Vavaka. Andriamanitra ô, aoka izahay hitoky aminao, ilay Mahefa ny zavatra rehetra eo amin’ny fiainanay fa tsy amin’ny sainay. Tsy handeha araka ny kajikajinay fa hanaiky izay tendrinao. Amena!

Andriamanitra tsy mba miangatra (18, 20-21). Manana anjara fitahiana koa Ismaela. Efa voasoritr’Andriamanitra izay fiainany sy ho aviny.

Fiainam-pankatoavana . Tonga ny fotoam-pamorana. Fotoana nanamafisan’i Abrahama ny fanekem-pihavanana natolotr’Andriamanitra (10-13). Notanterahiny arak’izay nambaran’Andriamanitra izany (23). Na dia efa lehibe aza izy sy Ismaela zanany, tsapan’i Abrahama loatra ny maha zava-dehibe izany fanekem-pihavanana ho an’ny taranany izany. Nanaiky izy nanatanteraka izany. Niara-noforana avokoa ny lehilahy tao an-tranony (24-27). Sahy noforaina izy na dia nihatra aman’aina aza izany.  Natoky Ilay nanao fanekem-pihavanana taminy izy. Ny fahasoavana mandrakizay ho an’ny taranany no lehibe tao anatiny.