OHABOLANA 23.1-14 F.1,6

MAHAY MITONDRA TENA

 

Mampianatra antsika hahonon-tena. Ny Tenin’Andriamanitra hitantsika eto dia mamporisika antsika hahalala onony amin’ny trangan-javatra mety misarika antsika hihoa-pefy. Ohatra raha hasain’ny olo-manan-kaja hiara-misakafo (2) na koa manoloana ny harena miraviravy imasontsika (4) dia tokony hijoro mandrakariva isika ka hahafehy ny hatendan-kanina ary tsy hitsiriritra ny haren’olona na oviana na oviana. Ny fahaizantsika mitondra tena manoloana ny karazan’olona izay mety mikasa hamandrika na hanisy ratsy antsika dia hanehoantsika ny maha-zanak’Andriamanitra antsika ary manome voninahitra Azy.

Aza variana amin’ny harena. Ny olona mikatsaka harena dia reraky ny fitadiavana ary matahotra mafy ny hahavery izay voaangony.Ny haren’ny tany anefa dia sady sarotra tadiavina no mety hafoy mora foana koa raha sendra mpandroba, na haitrano … (4-5). Ary rehefa variana mitady harena isika dia manalavitra na manadino an’Andriamanitra mihitsy aza, mirehareha hoe manan-katao noho ny ezaka nataontsika ary tsy misy hidiran’Andriamanitra ny fiainantsika.

Hafatra : Ny famindrampon’Andriamanitra, ny fitiavany, ny famelan-keloka omeny no harena lehibe sarobidy, tsy voavidy vola. Sady tsy misy afaka mandroba ireo, no maharitra mandrakizay (Matio 6.19-21)

Manafay mba hampahendry. Samy manana ny fomba fijeriny mahakasika io lohahevitra io, saingy ny Tenin’Andriamanitra kosa eto dia mananatra ny zanaka mba hanokatra ny sainy sy ny fony handray ny torohevitry ny ray aman-dreny (12) ary hanaiky ny fanitsiana hatao azy raha ilaina izany. Misy fotoana tonga amin’ny fikapohana kanefa tsy tokony hatao amin-kerisetra na fampijaliana tafahoatra izany. Fa ny kapoka dia fanabeazana ny ankizy hoe rehefa tsy mety ny hataony dia handraisany famaizana izany mba hanitsiany ny diany amin’ny ho avy ary hahahendry azy.