Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara - Sinoda-Paritany Iarivo Avaradrano - Fitandremana ANKADIFOTSY
     
 
  Accueil Edito Rafitra Vaovao Soratra Masina Samihafa
 
 
 
 
Eto ianao izao :Fidirana

 
 Recherche
 
 doka

 Mihaino Toriteny

 
 Serasera
Eto no toerana hifaneraserantsika amin'ireo hevitra maro any anatintsika tsirairay any
Misaotra mialoha tompoko amin'ny fandraisanao anjara ho fanompoana ny Tompontsika

  

 
 Login
 
 
 
 Rohy hafa
  Tafika Masina Tany Sainte Marie NAMPIOVA FO olona maro
 

TAFIKA MASINA TANY SAINTE MARIE
NAMPIOVA FO OLONA MARO.....

Tontosa soamantsara ny Tafika Masina lehibe nokarakarain’ny FJKM Ankadifotsy, niarahana tamin’ny FJKM Fiorenana Ambodifotatra, ny 22 hatramin’ny 29 Novambra 2011 lasa teo noho ny Fitahian’Andriamanitra.

Iraka

Ny voalohany, dia asa nanirahan’Andriamanitra ireo zanaky ny fiangonana mba hanalana ny fatotra sy ny geja mahazo ireo zanak’Andriamanitra eo ambany vahoan’ilay ratsy sy ny hampahery ary hampiorina ireo izay efa nandray Azy, no natao tany Sainte Marie. Araka ny hafatra nomen’ny Tompo manao hoe : « Mandehana ianareo ka mitoria ny filazantsara amin’ny olombelona rehetra ». Nitaona ireo olona izy ireo hanolo-tena ka handray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy eo amin’ny fiainany. Iraka ampanaovin’ny Tompo ho an’ny olona kristianinaa ny « hamonjy Fanahy ». Fa ny manarak’izany ihany koa, ny hanampy ny fiangonana FJKM Fiorenana Ambodifotatra, tarihan’ny Mpitandrina Andriamananjara Maminiaina Lovasoa, izay eo am-panamboarana sy fanitarana ny trano fiangonana amin’izao fotoana izao. 37 mianadahy mianaka ireo mpiatafika, ka ny 12 tamin’ireo no Mpiandry, fa ny sisa kosa dia mpikambana avy amin’ny sampana, sampan’asa, asa ary fikambanana misy eto amin’ny fiangonana toy ny AFF (Asa Fitoriana ny Filazantsara), ny FKBM (Fikambanan’ny Kilasin’ny Baiboly sy Mpitoriteny), ny STK (Sampana Tanora Kristianina), ny Sampana Dorkasy, ny Sampana Sekoly Alahady, ny Diakona, ny Fikambanan’ ny Mpikarakara voninkazo (Saha EDENA). Vantany vao tonga tany an-toerana ny hariva, dia niasa avy hatrany satria nisy vehivavy iray nitoeran’ny demonia izay tena mahery vaika tokoa, ka Mpiandry maromaro no niasa nandroaka ny devoly taminy. Ny ampitso, dia nisy kosa ny fizarana “groupes” ka nozaraina groupes 4 ny mpiantafika. Tamin’izy ireo, dia tao ny nandeha lavitra ary tao kosa ireo nijanona tao an-toerana.


groupe iray ...

Nahazoana traikefa maro izany, ary santionany amin’izany ny hoe “toy ny ahoana izany “mamaky lay” izany”, izany hoe ireo olona vao hotoriana mihitsy. Samy nanana ny nampiavaka azy ny tsirairay ary samy nampihatra izay azony tao amin’ny fiofanana nandritra ny volana maromaro.

Ny làlana

Na dia teo aza ny tahotra sy ny tebiteby teny am-pamakivakiana ny ranomasimbe hiampitana hahatongavana any Sainte Marie, dia tsapa fa ny Tompo no nitantana ny dia ary tsy nandao mihitsy Izy, ka dia tody soa tery am-pita satria IZY ilay Kapitenin-tsambo.
Teo amin’ny asa no somary mafimafy ihany, satria nisy ny dia an-tongotra lavitra ezaka, teo amin’ny 17 km teo ho eo no lavitra indrindra ary teo Ambodifotatra no akaiky indrindra, niampy ny hafanana be nigaingaina, kanefa nomen’ny Tompo hery hatrany ka tsy dia nahatsiaro havizanana be loatra. Tena nangetaheta hahafantatra ny Soratra Masina sy fanovana eo amin’ny fiainany mihitsy ny olona tao amin’ity toerana ity. Marihana fa tsy nisy mpitandrina tao ka maro amin’ireo olona no mbola tsy mpandray.


Ireo mpiantafika ...

Mpisotro toaka niova fo... demoniaka sitrana

Rehefa nandeha ireo mpiantafika, dia tsy nanavaka ary tsy nifidy na taiza na taiza araka ny iraka nampanaovin’ny Tompo, betsaka no nanolo-tena, niova fo, anisan’izany ohatra ny mpisotro toaka tao amin’ny toeram-pisotroana iray izay nanaiky niala amin’ny fatotra nangeja azy ary nandray an’i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy eo amin’ny fiainany, maro no nandray ny Filazantsara, ny demoniaka sitrana. Ny silamo nanaiky marina fa Andriamanitra dia Iray ihany dia “Ilay Nahary izao tontolo izao”.

Ireo Mpiandry (Mpanompon’Andriamanitra) miasa amin’ny demoniaka, amin’ny alalan’ny Fahefana omen’i Jesoa Kristy ; ny demoniaka iasan’ny Mpiandry amin’ny alalan’ny fametraha-tanana ka nanalana ny fatotra izay mangeja azy. Nahazo Hery sy Aim-panahy bebe kokoa arakaraky ny mahamafy ny asa, ohatra, tamin’ny fanalana devoly tamin’ny andron’ny nahatongavana, ka nizara tarika roa ireo mpiantafika ; ny Mpiandry niasa tamin’ny marary, ireo mpiantafika tsotra kosa nitolona amim-bavaka, niady varotra tamin’ny Tompo ho fanafahana ny marary, ary amin’ireny anefa dia tsy maintsy mivoaka ho “Mpandresy”.

Ny firaisan’aina ao amin’ny Tompo

Tontosa antsakany sy andavany ny fandaharam-potoana rehetra nokasaina hotanterahina : ny fandefasana horonan-tsarimihetsika mitondra ny lohateny hoe “MANDRESY ANDRIAMANITRA”, ny seho sehatra sy fanentanana tamin’ny alalan’ny hira sy tantara nizarana ny hafatra sy Tenin’Andriamanitra. Ny fandraisana anjara tamin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny alalan’ny vakiteny sy vavaka, ny 5 minitran’ny Sekoly Alahady, ary ny toriteny, nisy ihany koa ny asa sy fampaherezana tao anatin’ny fanompoam-pivavahana niarahan’ireo Mpiandry roa tonta. Taorian’ny fanompoam-pivavahana, dia nisy ny fiaraha-misakafo tamin’ny mpianakavin’ny finoana tao Ambodifotatra ho mariky ny firaisan’aina ao amin’ny Tompo. Nanamarika tao anatin’izany ihany koa, ny fiaraha-mifaly tamin’ ny mpanompon’Andriamanitra tao Ambodifotatra noho ny fitsingerenan’ny taona nahaterahany ho fiombonan’aina tamin’ny ankohonany niarahana tamin’ireo mpiantafika. Nahavaky vava ihany koa ny fahaizan’ny mponin’i Sainte Marie mandray vahiny.
Akory ny hafalian’ny mpianakavin’ny finoana tamin’ireo fanomezana maro toy ny baiboly, testamenta, boky, akanjo, kiraro sy poketra...Tamin’ireo akanjo nentina hozaraina no nisy nahatsikaiky fa akanjoba mafana sy mavesatra no ankamaroany, izay tsy nifanentana tamin’ny toetr’andro any.

Nizara tamin’ny fomba rehetra ny Tenin’Andriamanitra araka izay tratra ny mpiantafika. Ary nizara sy nampianatra ny fomba fitarihana fanompoam-pivavahana tany amin’ireo toerana nisy zana-piangonana ary namaly ireo fanontaniana nanitikitika ny sain’ny mpitarika. Misy faritra maromaro ao amin’ny tanànan’i Sainte Marie : Loukintsy, Andapan’Angoay, Ambodiforaha, Ankobahoba, Ambohitra......

Tsy nizara fotsiny ihany koa anefa ireo mpiantafika, fa nandray ary nianatra teo amin’ny lafi-piainana andavanandro.
Apetraka eo am-pelatanan’ny Tompo ny Asa vita sy ny vokatra ary Izy no miasa hahatanteraka ny Fikasany ho Voninahitry ny Anarany. Izany vokatra tsara izany anefa, tsy manakana ny fanatsarana ny fiofanana amin’ny manaraka.

Misaotra antsika fiangonana manontolo tamin’ny fanohanana tamin’ny lafiny rehetra, indrindra ny fitondrana am-bavaka ny Asa, fa tena nisy vokany tokoa, ary hinoana fa nisy fiantraikany ireny rehetra ireny. Ho an’Andriamanitra irery anie ny Voninahitra.

Nanangona Tojo R. sy Ninie R.

Toriteny 12 Febroary 2012

 
  IREO LAHATSORATRA NIVOAKA FARANY :  
 Fampianarana

 Fampianarana 16-04-2011
Mizara ho dimy (5) ny bokin’ny Salamo arak’ireto : I Salamo 1 - 41 II Salamo 42 -72 III Salamo 73 - 89 IV Salamo 90 - 106 V Salamo 106 - 150 Azo ho sokajiana amin’ireto (...)

  (Fampianarana 09-04-2011)
  (Fampianarana 26-03-2010)

Tafika Masina:
 FIOFANANA TAFIKA MASINA 2012
FIOFANANA TAFIKA MASINA 2012 Mitohy ny fiofanana isaky ny SABOTSY tolakandro amin’ny 4 ora eny amin’ny I.F.R, aorian’ny (...)

  (TAFIKA MASINA ANDIANY VOALOHANY)

Sekoly Alahady:
 SEKOLY ALAHADY : Fanilo sy Fanazavana
SEKOLY ALAHADY : Fanilo sy Fanazavana Ny alahady 11 desambra 2011 teo no nofaranana ny fankalazana ny faha 120 taonan’ny Sampana Sekoly Alahady eto amin’ny FJKM (...)

 Hainao ve ?

 (GUIDE 2012 ET POUR TOUTE LA VIE)
GUIDE 2012 ET POUR TOUTE LA VIE Santé : 1. Bois beaucoup d’eau 2. Prends un petit-déjeuner de roi, un déjeuner de prince et un dîner de mendiant. 3. Mange plus de nourriture qui pousse dans les arbres et les plantes et mange moins de (...)

 FANALANA ANGADRANO
 IREO VOKA-PIKAROHANA FARANY MOMBA NY GOAVY

 Sakafo tsara voatra

 (RISOTTO CROUSTILLANT AU FOIE GRAS)
RISOTTO CROUSTILLANT AU FOIE GRAS • Temps de préparation : 15 min • Temps de cuisson : 25 min Ingrédients pour 4 personnes • 300 g de riz de table • 120 g de foie gras mi-cuit • 150 g de (...)

 Brochettes à la créole
 SORBET AU PIMENT

 omeo ny hevitrao :

 29 Mey 2011 : Fetin’ny reny
Tena hilaina ary kritsiana ve ny mankalaza ny fetin’ny reny

 St Valentin hoe e ?
Alatsinainy 14 febroary : ny St Valentin no tiana horesahina eto ... Ahoana no fahitantsika io fankalazana io ? resaka ara-barotra ve ? fetin’ny "jentilisa" ve ? sa kosa inona ?

 
 Mana isan'andro
 

Jaona 7.25-36F.1

IZA MARINA MOA KRISTY ?
Ny fihavian’i Kristy. Miseho mahafantatra an’i Jesoa ny Jiosy ka manambara fa na amin’ny fiverenany aza tsy hisy hahafantatra izay hihaviany. Toa hanamafisany izany fa tsy ilay tena Kristy ity eto manoloana ity.

 
 Famintinana ny Toriteny
 
Alahady 19 febroary 2012

« fa Jehovah mihevitra ny hiadanan’izay matahotra Azy sy miankina Aminy »

 
  TORITENY ALAHADY 08 JANOARY 2012- Fidirana faharoa  
 
 Ny Baiboly
 
Ny Filazantsara amin'ny teny malagasy
Ahafahana manao "recherche concordance"
 
 Perikopa FJKM
 

PERIKOPA FJKM 2012

FEBROARY : MAHITA NY ZAVATRA REHETRA NY TOMPO
Alahady 26 febroary 2012

Karemy I

Jeremia 23.23-24
Asan’ny Apostoly 14.19-28
Matio 6.16-18

Copyright © 2004 - 2009 Alefaso ny sosokevitrao @ ny komity - Pasteur - ny komitin'ny fankalazana ny faha 14o taonan'ny Fiangonana / faha 30 taonan'ny KTR Site hberg par 000webhost.com