ASAN’NY APOSTOLY 13.26-41 F.1, 2

JESOA NO MPAMONJY

Na dia nofofoina aza ny ainy (26-29). Ambaran’i Paoly eto fa izay rehetra tsy nahafantatra an’i Jesoa tamin’ny alalan’ny Tenin’Andriamanitra novakiana taminy dia nandray anjara tamin’ny fanamelohana an’i Jesoa teo amin’ny hazofijaliana (26-27); isan’izany koa i Pilato izay tsy nahita heloka tamin’i Jesoa (28-29; Lioka 23.4, Jaona 19.4) nefa nanolotra Azy hohombohina tamin’ny hazofijalina (Jaona 19.16). Fa mbola maro koa ny kristiana ankehitriny no mandeha am-pahazarana fotsiny raha mamaky sy mihaino ny Tenin’Andriamanitra ka tsy mahita na mahafantatra an’i Jesoa ao amin’izany; mbola manameloka an’i Jesoa ka miverina manombo Azy eo amin’ny hazofijaliana indray ny toy izany. Tsarovy fa ny Baiboly manontolo dia manambara an’i Jesoa Ilay nilaza hoe “Dinihinareo ny Soratra Masina satria ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy” (Jaona 5.39).

Satria natsangan’Andriamanitra Izy (30-41). Hamafisin’i Paoly eto fa natsangan’Andriamanitra tamin’ny maty i Jesoa ary niseho nandritry ny andro maro tamin’ny vavolombelona maro Izy tamin’izany (30-31). Fa izay antony nananganan’Andriamanitra Azy tamin’ny maty dia ny:  1) hahatanteraka ny faminaniana ny Aminy (Salamo 2.7) ;  2) hahatonga Azy ho velona mandrakizay (34a, 36, 37, Salamo 16.10) ; 3) hahazoantsika famindrampo sy famelan-keloka (34b, 38-39).

Manaporofo izany koa izay voambara ao amin’ny Romana 8.34 hoe “Kristy Jesosy no efa maty sady nitsangana tamin’ny maty koa ka mitoetra eo ankavanan’Andriamanitra ary mifona ho antsika”. Fahamarinana : Antoky ny fivavahana kristiana ny nananganan’Andriamanitra an’i Jesoa tamin’ny maty satria ny finoana izany no ahazoana famonjena. (Romana 9.10, ampitahao amin’ny Asa 13.40-41). Mino izany va ianao?