EZEKIELA 33.21-33 F. 1, 5

FANANTENANA

Fahafahana (21-22). Tonga tany amin’i Ezekiela sy ireo olona lasan-ko babo tany Babylona ny vaovao milaza fa afaka Jerosalema, nanamarina ny fahatanterahan’ny faminaniana nambaran’i Ezekiela tamin’ny olona. Niova nanomboka teo koa ny asa fanampoany, nisokatra ny vavany fa tsy moana intsony izy (ampitahao amin’ny Ezekiela 3.26 sy 24.26-27), ka nanjary naminany ny hisian’ny fanavotana sy ny fampodiana an’i Joda indray izy. Araraoty ny vaovao renao sy trangan-javatra eo amin’ny fiainanao manokana sy ny firenenao hitoriana ny filazantsara handraisan’ny olona ny famonjena sy handovany ny fiainana mandrakizay. Raha manana an’ilay hetaheta hamonjy fanahy very ianao, dia ny Fanahin’Andriamanitra no hanokatra ny vavanao hilaza ny famonjeny amin’ny fotoana rehetra sy ny tranga rehetra.

Tsy hombam-pankatoavana (27-33). Nihaino an’i  Ezekiela ihany ny olona nefa tsy nankato izay nolazainy satria mbola lavitra an’Andriamanitra ny fony; nitoky tamin’ny sampiny (25), nitoky tamin’ny heriny sady nanao fahavetavetana (26). Vokany : mbola ho rava sy lao indray ny tanàna (27-29). Nataon’izy ireo ho toy ny mpilalao an-tsehatra Ezekiela manambara ny hafatr’Andriamanitra izay noraisin’izy ireo ho toy ny fialam-boly (30-32). Mila mitandrina ny mpino ankehitriny sao lasa fampisehoana an-tsehatra ho fialam-boly fotsiny ny fanompoam-pivavahana sy ireo karazam-pitoriana filazantsara hatao etsy sy eroa. Endriky ny tsy fanajana an’Andriamanitra izany (Matio 15.8).

Hafatra : “Fa aoka ho mpankato ny teny hianareo, fa aza mpihaino fotsiny ihany ka mamitaka ny tenanareo.” (Jakoba 1.22).