OHABOLANA 27.14-27 F.2, 5

NY FAMOLAVOLAN’ANDRIAMANITRA

Mihisatra aloha (14-16). Rehefa mifanehatra amin’ny Tenin’Andriamanitra isika, dia misongadina eo ny fifanoheran’ny toetsika sy ny takian’ny Tompo amintsika. Tahaka ity olona te-hanao tsara ny namany; nefa tsy nandeha tamim-pahendrena, sy ity vehivavy mitovy amin’ny mpiady an-tsena. Izany no fiaingantsika eo am-boalohany. Nandany efapolo taona ngarangidina ny Zanak’Israely nofanina tany an’efitra; kanefa dia maty tany ireo  olon-dehibe nivoaka an’i  Egypta. Toy izany no fizotry  ny fitomboana ao amin’ny Tompo, ary arakaraky ny kalitaon’ny fifandraisana Aminy no faharetany. Raha tsy ampy noho izany ny fandinihana ny Teniny, izay mitondra fiainana, sy ny fahaiza-miombon’aina Aminy, dia tsy mandroso firy ary mety handrora mitsilany aza.

Sedraina (17-22). Ny fitaizan’Andriamanitra koa dia tsy miolonolona irery; fa amboariny hifanerasera amin’ny manodidina. Ny samy zanak’Andriamanitra no mifampandroso raha samy tarihin’ny Fanahy Masina. Ao anatin’izany dia lasa fiainana  ny Tenin’Andriamanitra: fahaiza-mitsakotsako miaraka amin’ny Tompo sy ny fahenoana Azy mba handraisana ny lesona sahaza. Malemy ny nofo, koa velarina hatrany ny asa fiambenana (1 Petera 5.8), ny fahaiza-mampihatra ny Teny eo  amin’ny andavanandro. Mila fifantohana akaiky ny  miaraka amin’i Jesoa mba hifandraika hatrany amin’ny lalana soritany ny hatao rehetra.

Mijinja vokatra. Ny mpianatry ny Tompo dia mandroso koa ho  fitaovana ampiasainy hikolokolo ny hafa. Miainga amin’ny fampahafantarana ny Filazantsara. Mila fantatry ny olona ny toetra maha-mpanota azy sy ny famonjena natolotr’i Jesoa, mba hinoany izany sy hibebahany, ka hidirany ny Fanjakan’Andriamanitra. Amin’ny fo feno fitiavana no hikarakarana ireo izay iandraiketana mba samy hisitraka ny fahasoavan’ny Tompo avy  ny rehetra (Salamo 34.10b).

Fanidinihantena: Hitanao soritra ve ny fiovana misy eo amin’ny fiainanao?