Fifaninanana SARY FAMANTARANA STK Ankadifotsy

Fiangonan’I Jesoa Kristy eto Madagasikara

Synodamparitany Iarivo Avara-drano

Fitandremana Ankadifotsy

Sampana Tanora Kristiana

 

Ampitomboina aminareo mandrakariva anie ny fahasoavana ombam-piadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy Jesoa Kristy Tompontsika!

Ry Havana,

Fifaliana ho anay Birao sy Komitin’ny fankalazana an’Andriamanitra noho ny nahatrarana ny faha 125 taona nijoroana teto an’ivon’ny Fiangonana FJKM Ankadifotsy no mampahafantatra anareo fa ao anatin’izao taon-jobily izao dia misokatra ny Fifaninanana SARY FAMANTARANA ho an’ny Sampana Tanora Kristiana eto amin’ny Fitandremana Ankadifotsy.

Toa izao manaraka izao ny andinindininy mahakasika izany:

  • Ny mpivavaka manontolo, ny mpikambana amin’ny Sampana sy Sampan’asa rehetra, ny Mpianatra avy amin’ny Sekolin’ny Fiangonana “IFR” no afaka mifaninana.
  • Misokatra manomboka ny Alahady 08 may ny fifaninanana.
  • Hisy ny Valisoa hatolotra ho an’ireo nanao ny sary roa (02) voalohany voafidin’ny Komity.
  • Lohahevitra ijoroana: ”Mankalazà an’I Jehovah, fa asa lehibe no nataony; ary aoka ho fantatra any amin’ny tany rehetra izany”. Isaia 12: 5
  • Ny loko “Manga” sy ny “Maintso” no ampiasaina ary afaka manampy “Mainty” sy “Fotsy” raha ilaina.
  • Ny sary dia atao amin’ny taratasy A4 (210*297 mm) tsy asiana anarana na marika hahafantarana ny mpifaninana. Ampidirina ao anaty valopy lehibe tsy miforitra ary ampiarahana amin’ny valopy kely mihidy tsara misy ny mombamomba ny mpifaninana ao anatiny (tsara raha misy laharana an-tarobia ho fifandraisana haingana raha azo atao).
  • Azo aterina mivantana ao amin’ny Biraon’ny SCOLARITE IFR  na alefa mailaka ao amin’ny adiresy “ericjoh@hotmail.fr” mialohan’ny
    Alatsinainy 13 jona 2022 amin’ny 5 ora hariva izany.

Dia manantena ny fanandraisanareo anjara mavitrika amin’izany ho voninahitr’Andriamanitra.

                                                                                                                                                                                                         Ny Filoha   RAKOTOMAVO Ely

                                                                                                                                                

Date
09/05/2022